
Alliance française d'Ambositra
Les Examens
Ny DELF (Diplaoma momba ny fianarana teny frantsay) sy ny DALF (Diplaoma ambony momba ny fianarana teny frantsay) dia diplaoma ofisialy avoakan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena frantsay. Ireo diplaoma ireo dia manamarina ny fifehezana ny teny frantsay hoan’ireo mpiadina vahiny na Frantsay avy amin’ireo firenena tsy miteny frantsay ary tsy manana diplaoma ambaratonga faharoa na ambony ara-panjakana frantsay.
Ny CIEP (Ivontoerana iraisam-pirenena momba ny fampianarana), ao Sèvres, akaiky an’i Paris, no miandraikitra azy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena,
Ny DELF sy ny DALF dia misy diplaoma vitsivitsy tsy mifampiankina mandrafitra azy, mifanaraka amin’ny refim-pandrefesina eropeanina iombonana momba ny teny (CECRL)
Résultats en ligne
aux examens